FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho masoivoho atsy Maorisy, Ra­miarinjanahary Olga, araka ny fanendrena teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Misolo toerana ny Jly Camille Vital, ambasadaoro teo aloha. Maromaro koa ireo sefo distrika vao notendrena. Anisan’izany ny any Antalaha, Belo ambonin’ny Tsiri­birihina, Bekily, Vohipeno ary Taolagnaro.

Mitaky ny fikaonandoha ho an’ny zokiolona koa ny mpamakafaka politika, Razafimberison Mohamed. « Manana ny hetahetany sy ny hijerena azy koa izy ireo », hoy izy. Nambarany koa fa tsy fehin-kevitra farany ny hevitra nivoaka tamin’iny fikaonandohan’ny tanora farany teo iny.

Mampitombo ny fahaiza-manao sy traikefa ny eo anivon’ny faritra Fitovignany. Nambaran’ny lehiben’ny faritra, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, fa hofanina momba ny haitarika sy ny fitantanana mpiasa izy ireo mba hanamora sy hanafainganana ny fanatanterahana ireo fandaharan’asa fampandrosoana ny faritra.

Mitsipaka ny nampidinana ho 10 Ar ny haba alain’ny vokatra ireo ben’ny Tanàna any Sofia, araka ny fivorian’izy ireo, afakomaly. Nanterin’izy ireo fa tsy nifampidinika tamin’ireo ben’ny Tanàna ny lehiben’ny faritra nialoha io fanapahana io. « Tsy mitady ady izahay, fa miaro ny tombontsoan’ny kaominina sy ireo nifidy anay », hoy ireo ben’ny Tanàna.

Partager sur: