Na sarotra aza, nivoaka ho mpandresy ihany ny Ankoay Madagasikara, nanoloana ny Panthères-n’i Gabon, teo amin’ny fanombohan’ny «Afrobasket », sokajy U18, zazalahy. Lavon’izy ireo tamin’ny mokafohy, tany amin’ny segondra farany ry zareo Gaboney.
Nivoaka sempotra vao nahazo fandresena ny Ankoay Madagasikara, nanoloana ny Panthères-n’i Gabon, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy, sokajy “B”. Fihaonana notanterahina omaly, tao amin’ny kianja mitafon’i Abidjan, Côte d’Ivoire. Resin’ny Ankoay tamin’ny isa 68 no ho 65 i Gabon. Tifitra isa 3 tafiditr’i Yvan, tany amin’ny 2 segondra tsy hifaranan’ny fotoana no nahazoan’ny Ankoay ny fandresena.
Niady hatramin’ny segondra farany ny lalaon’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa 12 no ho 5 ny Ankoay, notarihin’i Ulrick sy i Theidy ary i A’Ranty teo amin’ny fito minitran’ny tapa-potoana voalohany saingy nihoaran’i Gabon, 13 no ho 12 izany avy eo. Niezaka nametraka ny lalaony hatrany ny Malagasy ka sahirana ry Boghe sy i Bibang ary i Mbeng, namaky ny fiarovantenan’ny Ankoay. Nitarika tamin’ny isa, 19 no ho 17 ny Malagasy teo amin’ny 10 mn voalohany. Tapa-potoana faharoa, notarihin’i Gabon, 28 no ho 22 ary tsy nijanona izany raha tsy 37 no ho 27, isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fizaram-potoana fahatelo, mbola nitarika an’isa hatrany i Gabon, saingy nenjehin’ny Ankoay moramora ka nihoarany mihitsy avy eo ka 51 no ho 48 ny fiafaran’ny lalao teo amin’ny 10 mn fahatelo. Nampitsanga-mitoetra ny tapa-potoana farany satria nifandimbiasana ny nitarika ny isa. Sahala 65 no ho 65 teo amin’ny 5 segondra tsy hahataperan’ny lalao. Nahazo “remise en jeu” ny Ankoay ka teo no nahazo malalaka i Yvan ary nitoraka ny baolina ka tafiditra ary nahalavo an’i Gabon. Hidona amin’i Maroc ny Ankoay rahampitso eo amin’ny andro faharoa.
Tompondaka




