Nanao hetsika manoloana ny kaomisarian’ny 67 ha omaly ny terak’Imady, omaly, nitaky ny hanaovana famotorana lalina momba ilay ankizilahikely hita faty teny Tanjombato tamin’ny alahady. Nilaza ho vonona hiara-hiasa amin’ny polisy ireo fianakaviany.
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha nahafaty ilay zazalahikely 10 taona, hita faty teny Ankeniheny Tanjombato ny alahady teo. Omaly, nanao rodombe nihazo ny biraon’ny polisy tetsy 67 ha ny fianakavian’ny maty sy ny zanak’ Imady. Mitaky ny hanaovana fanadihadiana ny raharaha izy ireo. “Vonona hanampy ny polisy izay manao ny asany izahay amin’ny fanadihadiana sy ny famotorana mikasika iny tranga iny”, hoy ireo fianakaviana. Nambarany koa fa tsy hanaiky mora foana iny vono olona iny izy ireo ka mitaky ny hikarohana ireo nahavanon-doza. Araka izany, nitondra ny alahelo sy ny ratram-po ary ny fangirifiriany tamin’iny fakana an-keriny niaro vono olona iny ny terak’Imady. Matetika loatra, hoy izy ireo, ny tranga fanararaotana mianjady amin’ny zanak’Imady.
Fantatra fa niainga omaly nitodi-doha any Ambositra, tanindrazany ny vata-mangatsiakan’ilay ankizilahikely 10 taona maty.
Mampihororoho
Afakomaly maraina mbola naharay antso avy tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny havan’ilay ankizilahikely maty. Nampihorohoro izy ireo ary nitaky ny hamenoana ny vola raha tsy izany haka zaza iray hafa. Manoloana izany, nampandre ny polisy avy hatrany ireo fianakaviana. Notohizany tamin’iny hetsika omaly ny fitarainany. Tsiahivina fa nisy naka an-keriny teny 67 ha io zazalahikely io. Taorian’izay, niantso ireo havany ireo jiolahy ka nangataka vola mitentina 10 tapitrisa Ar ho famotsorana azy. “Nilalao niaraka tamin’ireo namany roa lahy tetsy 67 ha izy. Nisy niantso izy telo lahy saingy tsy nisy nandeha ireo namany raha nanaraka io olona io kosa ilay zanakay. Fantany rahateo ilay olona ka nahatonga azy tsy nisalasala nanatona azy”, hoy ireo havany. Nanomboka teo, tsy nandrenesam-baovao intsony ilay ankizilahikely. Ny sabotsy teo niantso ny ray aman-dreniny ireo mpaka an-keriny ka nangataka vola. Tsy nanana izany anefa ireo havany ka nandefa 1 tapitrisa Ar. Ny alahady teo, nampiana 3 tapitrisa Ar izany. Nampalahelo anefa fa niafara tamin’iny vono olona iny ny raharaha. Natsipy teny amin’ny ranon’Ikopa ilay ankizilahy. Nifatotra ny tongotra aman-tanany ary mbola teny aminy ny akanjony rehetra. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Henintsoa Hani