Tsara fiditra ny ekipam-pirenena Madagasikara 2, teo amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena “championnat des nations”, taranja volley-ball, sokajy U18, vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 2 ny Club M Maurice. Sahirana ny tovovavy malagasy vao nibata ny fandresena satria efa tany amin’ny “tie-break” vao tafavoaka.
Lasan’i Madagasikara 2 ny seta voalohany, izay nifarana tamin’ny isa 25 no ho 20. Nanaitra ny ambom-pon’ireo tovovavy maorisianina izany ka nanao be fiavy izy ireo taorian’izay. Lasany avokoa ny seta faharoa sy fahatelo, 25 no ho 16 ary 25 no ho 14. Nihevitra ny maro fa ho azon’ny club M mora ny fandresena. Nanohitra anefa ny Malagasy, teo amin’ny seta fahefatra. Norombahin’izy ireo, araka izany, ny seta fahefatra izay lasany tamin’ny isa, 25 no ho 18. Nitovy 2 no ho 2 ny seta azon’ny andaniny sy ny ankilany. Voatery niditra teo amin’ny “tie-break” hahalalana izay ho mpandresy. Nifanakaiky hatrany ny isa ary 13 no ho 13 avy eo nitarika 14 no ho 13 ny Malagasy. Nangataka “temps mort” ny mpanazatra maorisianina. Taorian’io, nandefa “service” izy ireo saingy nivaly kapoka ho an’ny Malagasy izany, ka latsaka tao amin’ny kianjan’izy ireo ny baolina ka nahazoana ny fandresena.
Tompondaka




