Notanterahina tany Moroni, Kaomoro tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, hatramin’ny omaly ny atrikasa momba fifidianana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Mametraka ho ambony ny fitantanana sy ny filaminana ary fitoniana ny fifampizarana tamin’izao fihaonana izao. Natao koa ialana amin’ny disadisam-pifidianana matetika miseho.
Anisan’ny nisolo tena an’i Madagasikara tamin’izany atrikasa izany ireo depiote mpikambana eo anivon’ny Fikambanan’ny antenimiera ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (AP-COI). Anisan’izany ny solombavambahoaka, Rafidimanana Narson, Raholijaona Harson, Andrianasolo Nadine ary Raby Savatsarah Gabrielle.
Nambaran’izy ireo tamin’ny fandraisam-pitenenana ireo fanamby mifandraika amin’ny fanavaozana ny rafitry ny fifidianana. Teo koa ny famelabelarana ny loza sy ny korontana mety hiseho amin’ny fifidianana sy ny ho fisorohana izany. Niaraka nizara traikefa sy fomba fijery tamin’ireo solontenan’ny Antenimiera, ireo vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana avy amin’ireo firenena mpandray anjara.
Rafitra ara-dalàna mifehy ny fifidianana
Anisan’izany koa ireo fikambanana sy ny mpiara-miombon’antoka avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. «Tanjona ny hanamafisana ny fahalalan’ireo mpisehatra ara-panjakana momba ireo fenitra iraisam-pirenena mifehy ny fanavaozana ny rafitry ny fifidianana. Hampiroborobo ny fifampizarana traikefa sy fomba fanao tsara, ary hanohana ny fampiharana ny fanavaozana ny rafitra ara-dalàna mifehy ny fifidianana», hoy ireo nitarika ny atrikasa sy ny fifampizarana.
Tsiahivina fa nokarakarain’ny eo anivon’ny «Réseau Électoral de l’Océan Indien -REOI» sy ny sekretera jeneralin’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI) izao atrikasa izao. Tafiditra ao anatin’
ny tetikasa «Gouvernance, Paix et Stabilité – GPS », miaraka amin’ny fanohanan’ny «Agence Française de Développement – AFD».
Synèse R.




