Somary mangingina ny fivoizina ny zaza very tato ho ato, na dia mbola maro aza ny tranga. Izay manana fahasahiana no manao antso avo ampahibemaso. Ny pejy na kaontin’olon-tsotra efa tsy sahy manao ranty amin’ny tambajotran-tserasera. Maro ny tsindry sy fanenjehana izay mizara fa lazaina ho mpampihorohoro saim-bahoaka. Tsy azo hodiana tsy hita anefa, ny fanelezana azy no manafaingana ny famotsoran’ny mpaka an-keriny, na ny fodian’ireo nanary tena.
Mahalatsa-dranomaso ny zava-misy ankehitriny, ny faty indray no miampatrampatra etsy sy eroa. Saika isan’andro vaky no mahita razana na taolam-balo mihintsa-nofo. Asa misy ifandraisany amin’ny fampitandremana nataon’ny Filohan’ny fanavaozana sy ny tsindry avy amin’ny mpitandro filaminana ? Misy fifandrifin-javatra izany ! Tampoka dia mipoipoitra ny vatana mangatsiaka taorian’ny vavaka ihany koa. Miasa Andriamanitra !
Izany eo ihany, fa ny tena mahasondriana, ity hetsika manokana hataon’ny vondron-kery misy. Anarana fotsiny aloha ilay « task force ». Mbola samy amin’ny asany ny tsirairay. Hatramin’ny mpiambina manokana ny Filoha aza izao, efa manao hetsika ho azy. Tsy misy ny maharatsy izany fa ny fiarovana sy fitandroana ny ain’ireo zanaka malagasy no mahamaika izao. Indrindra ny zaza varira izay tsy misy mpiahy fa lohalisitra amin’ny lasibatra.
Raha ny tombana, tsy mbola ampy hatreto ny fandraisana andraikitra. Tsy mijanona, tsy mihena ny vaovao miely eny amin’ny tambajotra fa ny serasera fotsiny no midina. Tsy tokony hiraviravy tanana ny olona tsirairay avy. Ilaina ny fifanomezan-tanana amin’ny mpitadro filaminana sy ny tomponandraikim-panjakana. Tsy vitan’ny olona tsy ampy fitaovana sy tsy ampy isa ny ady hatao.
r.r




