Taorian’ny nanendrena an’ Andriatomponera Fidy ho PDS ny fiadidina ny tanàn’ Antsirabe, vita omaly, ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rakotondrabe Andrianomanana. Nanatrika izany ny Prefen’Antsirabe miadidy ny Faritra Vakinankaratra. Teo koa ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokanjiny ao amin’ny tanànan’Antsirabe ary ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina. Nambaran’ny PDS vao voatendry fa anisan’ny laharam-pahamehana ho azy ny famahana ny olana eo amin’ny karaman’ny mpiasa. Nitarika hatrany amin’ny fiatoan’ny asa teo anivon’ny kaominina izany. Manaraka izany, ny fanadiovana ny tanàna amin’ireo loto sy fako maro isan-karazany amin’ny fokontany maro ary indrindra ny fanafainganana ny tolotra omen’ ny mpiasa. Somary nihisatra izany, telo volana taorian’ny fametraham-pialan’ny ben’ny Tanàna voafidy, nitantanana ity Renivohitry ny faritra Vakinankaratra ity.
Tsiahivina fa efa notakian’ny mpiasa teo anivon’ny Kaominina Antsirabe efa hatramin’ny ela izao fanendrena PDS izao ary tanteraka izany ny 5 aogositra lasa teo.
Mi.Raz




