Sambany ! Voalohany ho ampiasaina eto Madagasikara ny haitao hamadihana ho rano fisotro ny ranomasina. Hanatanteraka izany teknolojia izany any Ambovombe ny orinasa Aureate Resources. Natao sonia teny amin’ny Lapan’ Ambohitsirohitra, omaly, ny fifanarahan’ity orinasa ity, nosoloin’i Xiao Cheng tena, sy ny minisitry ny Rano, Razafindrianiaina Elia. Hamokatra rano fisotro madio 1 500 m3 isan’andro ny orinasa, hisitrahan’ny mponina 75 000 any Ambovombe sy ny distrika manodidina. Ho tonga any Tsirangoty, 7 km miala an’Anmbovombe ny orinasa amin’ity volana aogositra ity. Ho tonga amin’ny novambra ny fitaovana ary efa hahita vokatra sahady amin’ny faran’ny janoary 2027.
Nilaza ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, fa «indraindray izahay any Androy mieritreritra hoe ampahantraina an-tsitrapo ve, mba ahazoana famatsiam-bola. Toy ny atao takalon’aina ny vahoaka any Atsimo ».
Efa maro ny fotodrafitrasa ho an’ny rano atao any Ambovombe, toy ny tohodrano, ny tambajotran-drano fisotro madio, ny lavadrano, ny loharanon-drano, sns. Ary izao mitohy amin’ny famadihana ny ranomasina ho lasa rano fisotro izao koa.
Njaka A.




