Noraisin’ny solontenan’ny birao maharitra sy ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza, omaly, ireo delegasiona avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, afakomaly. Voaresaka tamin’izany ny tatitra momba ny zava-misy eto amintsika. “Tena miaina anaty fahantrana ny maro ary hita fa miitatra any amin’ny renivohitra izany fahantrana izany”, hoy ireo vahiny. Notakin’ireto iraka ireto ny hanatsarana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatra tsy miankina, ny fambolena, ny fampianarana… Anjara andraikitry ny solombavambahoaka ny fametrahana rafitra amin’ny alalan’ny fanaovan-dalàna momba izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Nitohy tamin’ny fihaonana amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo izany. Mbola voaresaka ny fivoaran’ny tahan’ny fahantrana sy ny paikady hifehezana izany.
Naneho fahavononana hanome vola ny Banky iraisam-pirenena, hanatanterahana ireo drafi-pampandrosoana napetraka hitantanana ny firenena.
Tsiahivina fa anisan’ny delegasiona amin’izany i Luis-Felipe Lopez-Calva (Global Director Poverty and Equity), Pierella Paci (Practice Manager Poverty and Equity), Marco Hernandez (Practice Manager of Macroeconomic, Trade and Investment), ary Marie-Chantal Uwanyiligira (Country Manager).
Synèse R.




