“Aleo mba jerena ihany ny tombontsoam-bahoaka. Ny fomba fiasan’ny fitondrana no tokony hiova hatramin’ izay. Ny fijerena izay laharam-pahamehana no tokony hatao ho an’ny vahoaka, fampihenana ny vidim-piainana”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa.
Mitovy ihany na ovana na tsia ny governemanta. Tsy hamaha ny fahasahiranam-bahoaka io. Ny fanovana azy aza, vao mainka mampiditra amin’ny krizy mafy. Enim-bolana mahery kely sisa dia hiala ny filohan’ny Repoblika, raha mbola sahy hirotsa-kofidina izy.
“Impiry izay ny fanamboarana governemanta tsy nahitana vokatsoa. Efa-taona sy tapany tsy hita izay vita”, hoy izy. Koa izay fotoana fohy sisa ve no hanamboarana governemanta? Fanomezana seza ho an’ny namana. Nefa miaritra ny mafy hatrany ny vahoaka.
Ny hanovana ny mpikamban’ny governemanta dia hoe ho avy ny fifidianana. Be dia be izany ny paipaika sy ny torolalana ho an’izay olona eo: hibaikobaiko sy hanao ny tsy fanao. Efa tsy amin’izany intsony izao. Tamin’ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka, miaramila avokoa ny ankamaroan’ny mpikamban’ny governemanta: taiza no niafarany?
R. Nd.