Mitohy ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny MFM (Mpitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara). Laharam-pahamehamana ny fampahatanjahana ny antoko sy ny famerenana ny ondry hiverina am-bala, araka ny nambaran-dRandrianirina Jean Ignace, filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM. Ankoatra izay, anton’ny fihaonana, omaly, teny 67Ha, ny fifanakalozam-baovao sy fametrahana ny toeran’ny MFM amin’izao andron’ny fanavaozana izao.
“Betsaka no manome tsiny hoe tsy nahazo ny MFM saingy tsy ny toerana no maha maika. Tsy miova amin’ny foto-kevitra ijoroana. Mila diovina aloha ny tokotany, vao miditra amin’ny Repoblika vaovao, dinika sy teny ierana vao fifidianana, dinika ho an’ny fitoniana sy ho an’ny fikaonandoham-pirenena ary lalam-pifidianana tokana. Anisan’ny nifanakalozan-kevitra tamin’ny fihaonan’ny MFM avokoa izany”, hoy hatrany Randrianirina Jean Ignace.
Nohamafisin’ny MFM fa miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanavaozana, ny fitantanana ara-pifidianana sy ny Andrimpanjakana ary ny FFKM izy ireo. Mamondrona ny antoko politika misy koa ny MFM. Efa mazava ny hevitry ny « Mafana » fa fametrahana faritra 28 ho fampandrosoana ny firenena.
Mi.Raz




