Tontosa tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly alahady ny famaranana niadiana ny “Championnat des Nations”, taranja volley-ball sokajy U18 lahy sy vavy, faritra faha-7. Nandrombaka ity andiany voalohany ity, i Madagasikara 1 teo amin’ny vehivavy ary i Maurice ny lehilahy. Lavon’ny tovovavy malagasy, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/21 ; 25/19 ; 25/23) i La Réunion. Ny seta voalohany, ihany no hany niady sy nahatohitra an-dry Tamby sy ny namany ny renionezy. Ny seta roa farany kosa tsy nananosarotra tamin’ny Malagasy mpilalao. Tsara sady nirafitra ny fiarovan-tena, hany ka mora tamin’izy ireo nanao valim-panafihana.
Tetsy ankilany, nanary “service” betsaka ny renionezy. Ho an’ny tovolahy, lavon’i Maurice, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/23 ; 25/22 ; 25/19) i Madagasikara. Efa ambony amin’ny taktika ry zareo maorisianina na teo amin’ny fanafihana na fiarovantena. Hitohy amin’ny volley-ball lalaovina ambony fasika na ny beach volley indray ny fihaonana, anio sy rahampitso talata. Lalao hatao eny Ambohimanga.
Tompondaka
HOY IZY IREO :
-Danny (Mpanazatra Madagasikara 1) : Efa ambony be ny lentan’ny fifaninanana. Nanantombo ny Malagasy teo amin’ny fandraisam-baolina sy ny fiarovantena. Na izany aza, hita mbola lesoka ny halehiben’ny vatana raha mitaha amin’ny mpifanandrina. Mila miomana dia eny izao, raha hiatrika ny ho tompondaka isam-paritra.
-Stephane Mowezy (Mpanazatra La Réunion) : Tsy misy ambara firy fa mendrika an’i Madagasikara, ny fandresena teo. Tena nahay ireo mpilalao ary ambony noho izahay raha ny lafiny teknika sy taktika. Lesoka teo aminay ny fanariana baolina be loatra. Mbola misy 14 sy 15 taona ireo niakatra kianja ka traikefa ho anay iny.




