Tsipy kanetibe – Junior: Homena vola sy mari-boninahitra

Tafaverina an-tanindrazana, ny sabotsy lasa teo ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe “junior” lahy sy vavy, i Clarito sy i Eliot ary i Nomena sy i Nameno. Izy ireo izay avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, tany Espagne, ny 30 jolay – 2 aogositra lasa teo. Tsiahivina fa nandrombaka ny medaly volamena, teo amin’ny olon-droa miaraka lahy sy vavy i Madagasikara, tamin’ny alalan’i No­mena sy i Clarito. Anaram-boninahitra izay mbola voatazon’ ny Malagasy, hatrany. Ankoatra izay, nandrombaka ny me­daly alimo ihany koa teo amin’ny “tir de précision” sy ny olon-telo. Noraisin’ny minisitra Rasambany Alain, tetsy Mahama­sina izy ireo, ka tamin’izany no nanambarany fa hanaovana fangatahana mari-boninahitra any amin’ny filohan’ny fanavaozana, izy efatra mianadahy sy ny mpanazatra. Omena ihany koa ny vola fankasitrahana ary kianja manara-penitra. Andra­sana ny fotoana hanolorana izany. Ankoatra izay, haverin’ny fanjakana ny vola rehetra lanin’ny federasionina, nandeha­nana niatrika izany.

Tompondaka

Partager sur: