Nanome voninahitra ny lamesa lehobe sy niaraka niombom-bavaka, tamin’ireo mpino tao amin’ny Akany Maharivo Ambositra, nandritra ny fanamasinana ho Pretra, ny Kolonely Rampanarivo Thierry, mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, no sady nisolo tena ny filohan’ny Fanavaozana. Nasongadiny nandritra ny fandraisany fitenenana fa iraka iombonana ny fanompoana, na ho an’ny pretra izany, na ho an’ny mpitondra. Na miaramilan’i Kristy, na miaramilan’ny firenena, dia tokony samy hijoro amin’ny fanompoana fa tsy amin’ny fitiavan-tena, amin’ny firaisankina fa tsy amin’ny fisaratsarahana ary amin’ny fanantenana fa tsy amin’ny fahakiviana, hoy hatrany ny hafatra nataon’ny Kolonely Rampanarivo Thierry. Hery ara-moraly sy ara-tsosialy, hoy izy, ny fiangonana ary tsy misy fanavaozana marina raha tsy misy ny fiovana ao anatintsika. Niantso hery velona rehetra izy handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena ho fanorenana ny hoavin’ny firenena. Tsiahivina, diakra 9 mirahalahy no nandray ny Sakramentan’ny filaharana ka nohamasinina ho Pretra, tamin’io alahady io. “Ho voninahitra ho an’ny Raiko ianareo raha mamoa be”, io no andalan-tsoratra masina nosafidian’izy 9 mirahalahy nandritra izany. ” Ianareo no fanasin’ny tany”, hoy ny Kolonely Rampanarivo Thierry raha niarahaba ireto Pretra nohamamasinina ireto izy.
Mi.Raz




