Nambaran’ny PDS an’Antananarivo, Ralambomanana Feno, omaly, fa mitentina 50 000 Ar no zakan’ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ilay resaka tambin-karama amin’ny trano fonenena « Indemnité de logement”. « Io ihany rahateo koa no efa nifampiresahana tamin’ny mpiasa », hoy ihany izy.
Tsiahivina fa nitaky izany ho 200 000 Ar ireo mpiasan’ny kaominina ary nanaovan’izy ireo hetsika fitakiana izany, herinandro vitsy lasa izay. Tonga teny anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny raharaha. Teo koa ny fihaonan’ireo mpiasa sy ny solontenan’ny PDS noho ny tsy naha teto an-toerana azy, herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa miandry ny mpitantana ho avy ny tohin’ny fihaonana sy ny fifampiresahana. Nivoaka izany izao ny fanambaran’ny mpitantana an’Antananarivo fa hatreo amin’io 50 000 Ar io no azon’izy ireo tanterahina.
Araka izany, andrasana ny mety ho fandraisan’ny mpiasa izao fanapahan-kevitra izao.
Synèse R.




