Efa nigadona tao N’Djamena, renivohitr’i Tchad, omaly, rehefa avy niainga teto Madagasikara ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.
Maromaro ny anton-diany any amin’ity firenena Afrikanina ity. Tafiditra amin’ny famaliana ny fanasana avy amin’ny filohan’i Tchad, ny Marechal Mahamat Idriss Deby Itno, izao fivahinianany voalohany any Tchad izao. Hankalaza ny faha-66 taona niverenenan’ny fahaleovantena rahateo ity firenena ity ka anisan’ny vahiny nasaina manokana hanatrika izany ny filohan’ny Fanavaozana.
Ankoatra izany, hihaona manokana amin’ny filohan’ity firenena ity, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny fandaharam-potoanany.
Etsy andaniny, anisan’ny filoham-panjakana nasaina amin’izany koa ny filoha’ny Guinee Bissau, i Umaro Sissoco Embalo. Tsy azo ihodivirana ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa, araka izany, ny fihaonana eo amin’ny filoha telo tonta.
Tombanana ho anisan’ny voizin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël amin’izao fihaonana izao ny politika sy ny foto-keviny amin’ ny fanomezan-danja ny samy firenena Afrikanina.
Tsiahivina fa anisan’ny firenena aty Afrika vao notsidihin’ny filoham-panjakana nialoha izao fivahinianany any Tchad izao ny tany Egypte ny faran’ny volana jolay teo
.
Mi.Raz




