Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, taorian’ny fivoriana mikaton-trano nataon’ireo depiote teny Tsimbazaza. Nandiso ireo vaovao niely ny tenany tamin’izany.
«Tsy marina ny tsaho miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera ny amin’ny filazana fa horavana ny Antenimierampirenena sy ny birao maharitra eto amin’ity Andrimpanjakana ity », hoy izy. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fanohizan’ny Antenimierampirenena ny andraikitra sy ny asa sahaniny. Nanentana ny rehetra ny tenany mba tsy hampanjaka ny fifampiantsiana eo amin’ny samy Malagasy.
Nohazavainy tamin’izany koa fa anisan’ny nampiantsoana ireo solombavambahoaka rehetra tamin’io omaly io ny amin’ny fandinihana ny tatitra sy ny asan’ireo vaomiera mpanao fanadihadiana parlemantera. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny fanadihadiana momba ny orinasa Jirama, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nanteriny fa tsy mitombina ny filazana ny amin’ny tsy fisian’ny tsy fitovian-kevitra eo anivon’ity Andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Novaliany tamin’izany ireo karazana fanakianana samihafa ary ny fitakiana ny hialany amin’ny toeran’ny filohan’ ny Antenimierampirenena. « Mbola vonona hatrany izahay ny hiatrika ireo mety ho fiampangana sy fanasoketana ary mangataka ny hanolorana porofo amin’izany », hoy ihany izy. Nohitsiny fa tsy manaiky ny fampizarazarana ny Malagasy ny tenany.
Raharaham-pirenena ankapobeny
Nanamafy izany koa ny depiote voafidy ao Manandriana, Andrianjanahary Fanomezantsoa, hoy izy, namarana ny fanambarany sady filohan’ny Vovonana manohana ny fanavaozana (VFM) fa tsy misy resaka ny amin’ny fanovana ny birao maharitra ny dinika natao. « Niompana amin’ny fifampizaram-baovao momba ny fanadihadiana parlemantera sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny resakay tao », hoy izy.
Synèse R.




