Kly Randrianirina Michaël : « Omena fankasitrahana ny mpiasa nahavita be »

Mahazo fankasitrahana izay mendrika sy miasa tsara, hoy ny Filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Nandritra ny fandraisana ilay zaza varira avy any Vaingandrano no nanambarany izany.

Nigadona teto Antana­narivo, omaly, ilay zaza varira nisy saika hivarotra tany Vaingandrano ary noraisin’ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny birao fiasany Ambohitsirohotra, niaraka tamin’ny reniny. Nan­dritra ny fotoana no nankasitrahan’ny filoham-panjakana, ireo miaramila sy polisy ary zandary nanatanteraka ny iraka manokana ka naharava ny tambazotran’olona mpamono sy mpivarotra zaza varira tany Betroka, Isoanala ary Vaingandrano.
Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa omena valisoa sy fankasitrahana ny mpiasa nahavita be, manomboka izao. “Hatao kolontsaina eo amin’ny asam-panjakana manomboka izao, ny fanomezana valisoa sy fankasitrahana ny asa vita, ny mpiasam-panjakana nahavita soa, nanavotra fiainana’olona na nanavotra firenena”, hoy izy. Araka izany, notoloran’ny “bonification d’ancienneté” enina hatramin’ny 12 volana, ireo miaramila, polisy ary zandary avy namita ny iraka, mba hahafahan’izy ireo miakatra “galona” hainagana kokoa.
Tsiahivina, efa tany am-pelantanan’ny mpanao ratsy no avotry ny iraka manokana nalefan’ny Filohan’ny Fana­vaozana, tamin’ny ora farany, ilay zaza varira. Mbola misy mandrahona izy mianaka. Antony nampiakarana azy ireo eto an-drenivohitra izany. Horaisin’ny Filoha mivady an-tanana ny fikarakarana azy mianaka sy ny fianaran’ilay zaza.

Mi.Raz

Partager sur: