Vahaolana haingana

 

Asa aloha raha ahavaha olana izy ity na ahoana ? Vita hatreo aloha ny fanambatambazana ny mpamatsy vola mahazatra. Ny resaka mahakasika manokana ny angovo no tiana asian-dresaka. Efa nahoraka sy narantiranty tamin’ny tambajotran-tserasera omaly, fa tonga ny sambo, nitatitra solika ho an’ny orinasa Jirama, Madagasikara. Nomena alalana ny orinasam-panjakana iray hanafatra solika. Efa manana traikefa amin’izany rahateo izy. Efa mpanafatra vary an-taonany maro.
Mahavelombolo raha ny endriky ny serasera ivelany mandeha. Tsy hilana arofenitra mahazatra satria vonjy aina no nandraisana ny fanapahan-kevitra. Mazava be ireny fanapahan-kevitra noraisina tanatin’ny filankevitry ny minisitra ireny. 15 andro ny firenena no miaina anatin’ny hamehana momba ny angovo. Tsy maintsy mitady vahaolana aingana sy mahafaty ny afom-pahatezeran’ny mponina noho ny jiro tapaka ny fanjakana. Voatery mihazakazaka ny famahana ny fototry ny olana.
Efa miakamiaka-pofona rahateo ny vahoaka sy ny tanora ankehitriny. Miverina toy ny taloha, mainka aza manahirana ilay famatsian-jiro. Handrasana ny fandraisana andraikitry ny Filohan’ny fanavaozana, indrindra indrindra. Efa tapitra rahateo ny volana jolay, nampitandremany ny orinasa iray. Miandry ny tatitra mahakasika izany rahateo ny vahoaka malagasy. Anisan’ny niadiavana ny fisian’ny mangaraharaha amin’ny lafim-pitantanana rehetra. Samy tsy tara vaovao ny olom-pirenena.
Efa azo tsapain-tanana ny fandraisana andraikitra. Efa hita ny ezaka, fa eo amin’ny vokatra no iandrasana fifampizaram-baovao misimisy kokoa. Antony iray mahamarim-pototra ny fitondrana rahateo ny fikorinan’ny fiparitahan’ny vaovao mahakasika ny tombontsoan’ny besinimaro. Miala amin’ny fikombonana izay rangory fototry ny afo hatramin’izay. Lasa raharahan’ny ekipakipa sy ny raharaham-pianakaviana ny zava-drehetra ka tsy misitraka ny zony ilay Malagasy.

r.r

Partager sur: