Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Asa vita no ifampitsarana (Avi), ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra fa tafahoatra ny fanenjehana azy ireo tato ho ato. Nitondra valin-kafatra manoloana izany ny tenany, omaly. Nohitsiny fa efa fantatra ireo mpanao politika ao ambadika, manaratsy ny filoham-boninahitry ny antoko Avi. Mpanao politika sy antoko efa nampianay sy notohanan’ny antoko izy ireny, araka ny nambarany. «Anisan’ny anton’izany ny fahatahorana anay ka mahatonga ireo vondron’olona ireo miezaka manaratsy sesilany etsy sy eroa ny filoha, Ratsirahonana Norbert Lala», hoy izy. Eo koa ny mety tsy handraisan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, ny hevitr’izy ireo.
Namafisin’ny filoha nasionalin’ny antoko Avi anefa fa miara-miasa sy manohana izao fitondrana fanavaozana izao izy ireo. Anisan’ny dingana firosoana amin’izany ny fanatanterahana haingana amin’ny fikaonandoham-pirenena. «Mba hiantohana ny fandraisana anjaran’ny rehetra amin’ny famolavolana ny hoavin’ny firenena iombonana», hoy izy.
Notsiahiviny fa nifampizara traikefa tamin’ny filohan’ny Fanavaozana no votoatin’ny fihaonana natao niaraka taminy sy ny filoham-boninahitry ny Avi ny herinandro teo, araka ny nambarany hatrany. «Voaresaka tamin’izany ny dingana tokony harahina amin’ny fanatanterahana ny dinika politika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny», hoy izy.
Synèse R.




