Rafitra federaly sy fanjakana tokana : Miantso fampieritreretana ho an’ny rehetra ny Otrikafo

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Otrikafo. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny fomba fijeriny ny rafitra itantanana ny firenena.

«Iza no afaka manome antoka fa ho tafavoaka isika raha hiditra amin’ ny fanjakana federaly ka hiala amin’ny rafitra fanjakana to­kana ? », hoy ny fanontanian’ ny filoha mpanorina ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. Nohitsiny fa tena ilana fandinihana lalina sy ao anaty fito­niana tanteraka ary amin’ny fomba fijery mahitsy izany fa tsy hihinana am-bolony fotsiny eo isika. Manahy izy ireo fa mety ny hafa ao ambadik’ izany no mahazo tombontsoa manokana, araka ny nambaran’ity filohan’ny Komity ho an’ny fanorenana ifotony (Kfim).
Etsy andaniny, nanteriny fa misy adihevitra diso voizin’ ny sasany eto amin’ny firenena ka ilazana fa mahazo tombontsoa manokana ny eto Antananarivo. « Tsy mitom­bona izany sady tsy mivangongo eto rahateo ny harena. Ny fivangongoan’ny fahefana izao no adihevitra fa tsy ny filazana fa sambatra sy milamina ny renivohitra », hoy ihany izy. Notsindriny fa An­tananarivo aza tsy misitraka tombony sy mahazo izany noho ny fivangongoan’ny fa­he­fana, araka ny namba­rany.
Fanindrahindrana foko

Tonga hatrany amin’ny ahiahy aza ny mpanorina ny Otrikafo ka nilaza fa sanatria ho tafalatsaka anaty fanononana foko iray na fanindrahindrana foko hafa ny resaka eto amin’ny firenena. « Tsotra ny anay ny adihevitra. Ahoana no isitrahan’ny vahoaka malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny harena rehetra misy eto ? », hoy hatrany ny fanontaniany.
Tsiahivina fa anisan’ny niteraka resabe ary nahatonga adihevitra eto amin’ny firenena ny fivoizan’ny tanora sasany tamin’ny fikaonan­dohan’izy ireo teny Ivato ny faran’ny jolay teo fa tsy main­tsy hapetraka hitantanana fanjakana ny rafitra federaly.

Synèse R.

Partager sur: