Mahoraka ny tanàna

 

Tanàna maro manerana ny Nosy no mandray hetsika nasionaly amin’izao vanim-potoana fialana sasatra izao. Maresaka ny tanàna. Fety etsy, fety eroa. Samy manala azy araka ny fitenin-jatovo. Toa tsy ahitana taratra akory ny maha firenena mahantra indrindra maneran-tany azy. Tena hadino ny adim-piainana fa mitobatobaka ny fandaniana. “Ambiansy mafana” manerana ny Nosy.
Mahavariana tokoa, feno ny trano fisotroana. Marobe ny miditra trano fandihizana. Rakotra olona ny toerana ialana voly. Tsy misy miraharaha izany vola mivoaka am-paosy. Tsy mifidy andro fa na alatsinainy, na faran’ny herinandro tena miliba tokoa. Mipetraka ny fanontaniana, manao ahoana izany ny fomba fiainan’ny olona. Mikarama vary masaka fa mirevy amin’ny karama roa volana.
Gaga mahita izany fankafizana fiainana anaty fahantrana lalina. Tena hoe olona manana moraly ambony tokoa. Asa efa zatra mijaly? Hany ka na tsy misy hatokona aza fa manao tondraka anio mananjara. Inona no iraharahiana izay ampitso? Rehefa afapo amin’ny anio Dia izay no fahasambarana. Aoka ny ampitso no momba ny ampitso. Izay hidonany any hidonany, izay halehany any halehany. Miara-mizaka anaty fahasahirana avy eo.
Tsy ifanomezan-tsiny akory izay fomba fiaina. Tena ilaina ny miala sasatra, indrindra manoloana ny adim-piainana sy ny sedra isan-karazany. Ilaina ny maka aina rehefa tampina ny daomy. Aleo miverin-dalana kely, ahafahana mitsambikina misimisy kokoa amin’ny hoavy. Ilaina ny misintona angovo vaovao hiatrehana ny ampitso izay mety mbola ho mafimafy kokoa. Mazava ireny tomban’ny Banky foiben’i Madagasikara ireny fa hiakatra, hono, ny vidim-piainana.
Hamehezana azy, mahaiza mankafy ny fiainana fa aza manimba ny aina!

r.r

Partager sur: