“Tsy azo ihodivirana handaminana ny firenena ny dinika politika”. Io ny fanehoan-kevitra nampitain’ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Ao anatin’izay no hisian’ny fitoniana hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Raha halefa avy hatrany ny fikaonandoham-pirenena, mety ho zava-poana ny fanovana tadiavina hatao. Mahatonga ny depiote sasany miahiahy, tsy maintsy tonga amin’ny fandravana ny rafitra notakian’ny Gen Z ny dinika politika. Samy mitaky ny hisian’ny dinika politika na ny Vondrona Afrikanina, na ny Sadc, na ny antoko politika, na ny fiarahamonina sivily… Nanaiky ny hanaovana an’ izay ny filohan’ny Fanavaozana.
Atao ady gasy io: raharahan’ny samy Malagasy eto an-toerana, fa tsy hidiran’ny vahiny ndeha hamaha olana eto. Tokony hivondrona amina foto-kevitra iray aloha ny antoko politika rehetra, fa tsy
ilaina intsony ny antoko be dia be. Izay no lalan-kizorana amin’ izao… Lalana tsy maintsy andalovana ny dinika politika, ary tsy maintsy ampandeferina ny hambompo politika handaminana ny firenena. Na miaina amin’izao kisendrasendra sy “firongony” lava eto ary tsy mandeha amin’izay laoniny. Tsy azo atao ny fifidianana raha tsy milamina ny dinika politika. Ao anatin’izay koa ny hoe: ahoana ny lalàm-pifidianana sy ny momba ny Ceni?
Tsy azo ihodivirana handamina ny firenena ny dinika politika. Satria niainga tamin’ ny hetsi-bahoaka ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Izay fizarana seza, tsy mihoatra ny lalàna sy ny zava-misy iainan’ny firenena. Efa mitaky Antenimieram-panorenana, ohatra, ny Gen Z. Inona no maharatsy an’izany? Tsy maintsy mifampidinika ny mpanao politika hirosoana amin’izany lalana izany hisian’ny fitoniana.
R. Nd.




