Baolina – «Super coupe de l’UEFA»: Lasan’ny PSG ny amboara

Tontosa ny alarobia lasa teo, tao amin’ny kianja Salz­bourg, ny fiadiana ny “Super coupe de l’UEFA”, taranja baolina kitra. Fihaonan’ny Paris ST Germain, tompondakan’i Eoropa (ligue des champions) sy ny Aston Villa, tompon’ny amboara (Europa League). Lavon’ny parizianina, tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipa anglisy. Nampiditra ny baolina voalohany ry zareo frantsay, tamin’ny alalan’i Khvicha Kvaratskhelia, teo amin’ny minitra faha-20. Nosahalain’ny anglisy izany, tany amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoana voalohany ka nentin’ny roa tonta niala sasatra, io isa mitovy 1 no ho 1 io.
Fizaram-potoana faharoa, nifalamaliana ny fanafihana saingy nahay namadika ny isa ho azy ny parizianina, rehefa nampiditra ny baolina faharoa i Désiré Doué, tany amin’ny minitra faha-61. Mbola voatazon’ny Paris ST Germain (PSG) indray, araka izany, ity amboara amin’ny “Super coupe de l’UEFA”, ity izay efa teo am-pelantanany, tamin’ny taon-dasa. Amboara faha-13 kosa ho an’ingahy Luis Enrique mpanazatra ny PSG. Tsara fanombohana izany ny taom-pilalaovana ho an’ny parizianina. Tsiahivina fa notendren’ny UEFA, hitantana ny lalaon’ny PSG sy ny Aston Villa, ilay mpitsara somalianina, i Omar Artan. Izy izay tsaroan’ny rehetra fa voaroaka tsy nahazo niditra an’i Eta­zonia, nandritra ny “Mon­dial 2026” farany teo.

Tompondaka

Partager sur: