Moto nifandona tamin’ny kamiao: Mpianaka niara-namoy ny ainy

Olona efatra matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena roa samy hafa, tao anatin’ny telo andro. Mpianaka nitondra moto tra-doza tao Ilempona, omaly.

Nifandona tamin’ny kamiao mpitatitra simenitra, maty tsy tra-drano ireo roa lahy mpianaka nitaingina kodiarandroa teny amin’ny RN7, avaratr’Ilempona, Antanifotsy, omaly tolakandro. Niainga avy any Andramasina izy mianaka no nitaingina ilay kodiarandroa. Nikasa hihazo an’Antsirabe, nifanena tamin’ny kamiao lehibe iray. Nitodi-doha hihazo an’Antananarivo Renivohitra io fiarabe io. Hi­ditra ny fiolahana izay efa misy mari-pamatarana loza samihafa teo avaratr’Ilempo­na, tra-doza tampoka ilay moto sy ny kamiao. Nipitika ireo roa lahy mianaka. Maty avy hatrany taorian’ny fahalavoany teo amin’ny arabe izy ireo. Tafajanona ilay kamiao. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy. Samy tsy nisy afa-nialana nenina intsony ilay raim-pianakaviana, 58 taona, sy ny zanany lahy, 24 taona. Naiditra am-balam-pamonjana ny kamiao. Notanana atao famotorana ny mpamily izany.

Taksiborosy nivadika
Ankoatra io, nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona roa koa, teny amin’ny RN2 tao Maharidaza, ny marain’ny zoma 14 aogositra teo. Niainga avy any Ambaton­drazaka, sendra lavaka tampoka ny kodiaran’ilay taksibrosy. Vaky ny «jante» ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara. Ni­vadibadika teo afovoan’ny arabe. Vokany, namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany kely. Mpandeha fito hafa naratra ka nalefa notsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA.

Tsiferana R.

Partager sur: