Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Acsa Ambohidahy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny maro ny teo amin’ny sokajy “1ère série”, lahy sy vavy. Nisongadina i Tsantaniony Iariniaina sy Raharivony Nicolas izay samy mpilalaon’Analamanga.
Teo amin’ny vehivavy, lavony teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/1), Andriantefihasina Elisoa, mpilalao mipetraka any Etats-Unis. Ny seta voalohany ihany no afaka nanohitra i Elisoa. Nanantombo teo amin’ny famezivezena ny baolina na tamin’ny halavan’ny kianja na tamin’ny sakany i Tsantaniony. Ny seta faharoa, nanao lalan-tokana ny fihaonana.
Ho an’ny lehilahy, lasan’i Nicolas, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1) ny fandresena nanoloana an’i Mbolanirina Hasina. Nanjaka tokana i Nicolas izay manana traikefa betsaka.
Tompondaka
HOY IZY IREO
-Nicolas (Analamanga) : Faly aho satria raha tompondaka lefitra tamin’ny taon-dasa, tamin’ity tompondaka. Anaram-boninahitra fahatelo azoko ity. Tombony ho ahy, ny tanjaka ary izahay mirahalahy koa mpilalao efa mifankahalala tsara.
-Tsantaniony (Analamanga) : Tsy mora ny nahazo ilay fandresena. Nahafinaritra satria i Elisoa tsy mpilalao eto fa any ivelany dia mba niova mpifanandrina, tamin’ity. Ilaina ny fampitomboana lalao ohatra ireny satria tsy ampy ny fihaonana eto an-toerana.




