Toe-tsaina sy zava-misy

 

Mandela ny fotoana… Mby aiza ho aiza ny hoe fanavaozana? Ny vahoaka no mahatsapa izay iainany: efa misy fiovana sy fihavaozana? Eo ny tsy fandriampahalemana, manampy trotraka ny fahaverezana sy fahafatesana olona etsy sy eroa. Eo koa, ohatra, ny fiatrehana ny vidim-piainana. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa, ny ady amin’ny kolikoly, ny fiovaovan’ny toetr’andro… Tsy misy izay fiovana? Na izany aza, tsy azo odian-tsy hita ny fihatsaran’ny famatsian-jiro sy rano ho an’izay faritra misitrika an’izay. Toy izany koa ny fihatsaran’ny karama sy tambin-karama ho an’ny sehatra mahazo izay.
Saika tenenina mandrakariva ny hoe fanovana toe-tsaina. Hiova na hovaina ho azy amin’izao? Ny zava-misy no manova na anovana toe-tsaina sa ny toe-tsaina no manova na anovana ny zava-misy? Ny olona miaina na apetraka ao anatina fiarahamonina maloto sy misaritaka, ohatra, mety haloto sy hisaritaka ho azy na mety ho voasarika amin’izany, raha tsy mahatsiaro tena sy manapa-kevitra hiala na hanova… Mifampitsimbalivaly? Ny zava-misy no manova ny toe-tsaina, ny toe-tsaina koa no anovana ny zava-misy. Mby aiza amin’izao hoe fanovana sy fanavaozana izao?
Mafy sy sarotra ary ela izay fanovana sy fanavaozana toe-tsaina, raha tsy misy izay fanovana sy fanavaozana izay iainana. Mahatsapa izany ny vahoaka? Eo amin’ny fampanjakana fandriampahalemana, ny fanamaivanana ny vidim-piainana, ny famoronana asa… Tsy miova ho azy amin’izao koa ny zava-misy, raha tsy eo ny fiovana sy fanavaozana ny toe-tsaina vonona hiova sy hanova… Tsy miaritra fotsiny na miandry ny hafa. Manaiky sy vonona amin’izany ve ny vahoaka amin’ity hoe fanovana na fanavaozana? Tsy mandeha ho azy, tsy ifampiandrasana… Mila finiavana sy hetsika. Mby aiza? Mandeha ny fotoana…

R. Nd.

Partager sur: