Diplaoma bakalorea hosoka : Talen-tsekoly tsy miankina naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Ano­sy ny talen-tsekoly tsy miankina iray, niampy olona efatra mpiray tsikombakomba taminy. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy tsy fahatomombanana tsikaritry ny tomponandraikitra miasa eo anivon’ny Oniversite Antana­narivo, ny 5 aogositra lasa teo. Vehivavy nikasa hanao fanamarinana dika mitovy amin’ny diplaomany. Tsy hita anefa ny anaran’io vehivavy io. Nanala bakalorea tamin’ny taona 2024 izy, saingy tsy nahomby, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Nanao ny fomba rehetra ha­hazoana ilay diplaoma ny talen-tsekoly nianarany. Niray tsikombakomba tamin’ity farany ny mpiasa eo anivon’ny ofisin’ny bakalorea, mpitantsoratra teo aloha iray sy tale lefitra mitantana an­draikitra eo anivon’ny Oniver­site. Vokany, olona 11 voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana taorian’ny famotorana. Nota­nana vonjimaika any am-ponja ilay talen-tsekoly sy olona efatra. Nahazo fahafahana kosa ny olona dimy hafa.

Tsiferana R.

Partager sur: