TSELATRA

Mpangalatra ireny kojakoja anaty fiara ireny voasambotry ny polisy teny Ilanivato, ny sabotsy 15 aogositra teo. Nenjehin’ny polisy izy ka nahatrarana auto radio teny aminy.
Notanana am-ponja ny lehilahy nangalatra basy ka nikasa hamarotra izany tao Belo sur Tsiribihina, ny zoma 14 aogositra teo. Tsy nisy taratasy sady nokasainy hamidy antsokosoko ilay fitaovam-piadiana.
Jiolahy voasaringotry ny vy teny ambony tafo ka nianjera ary torana tao amin’ny Boulevard Joffre Toamasina, ny alahady 16 aoagositra teo. Nitsambikina avy eny ambony tafon-trano izy rehefa nikasa handositra. Noraisim-potsiny.
Nokapain’ny fokonolona famaky ny lehilahy iray voatondro ho mpangala-jaza tao Diego, omaly. Nanohitra ity farany ho fiarovany ny ainy.

Partager sur: