Maroantsetra : Napetraka ny Sakana ara-pahasalamana

Ho fahamailoana amin’ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina Mpox ao amin’ny Faritra Ambatosoa, napetraka any an-toerana ny sakana ara-pahasalamana. Nisy olona ahina ho voan’io aretina io tao anaty sambo “MS Yoan”, avy any Toamasina. Nidina ifotony avy hatrany ny OMC, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, nandray ny fepetra rehetra hifehezana ny mety ho fiparitahan’ny aretina.
Narindra avy hatrany ny sakana ara-pahasalamana. Nohamafisina ny fanaraha-maso ireo mpandeha sy ny mpiasa tao anatin’ny sambo.
Nampahafantarina sy nam­piharina ny fihetsika sakana na geste barrière sy ireo karazana fepetra fisorohana ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina.
Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ara-pahasalamana atao ao amin’ ny distrika “SDSP Maroan­tse­tra”, miaraka amin’ireo tomponandraikitra voakasik’izany.
Mbola tena misy ity aretina ity eny amin’ny fiarahamonina. Manaporofo izany ny mbola hisian’ireo toerana fitsaboana izany sy ny fanokana-monina ireo marary ary ny fikaraka­rana azy. Mila mailo hatrany ny amin’ny fanajana ny elanelana tsy hisian’ny fifampikasohana be loatra. Raha misy tranga mampiahiahy, ampandrenesina haingana ny tom­ponandraikitra eo an-tanàna hahafahana mifehy haingana ny aretina tsy hiparitaka.

Tatiana A

Partager sur: