INDRAY MIJERY

Fanintelony nifaninana hisitraka ny vatsim-pianarana “The Fulbrighte Foreign Student Program” i Toavina Mahasetra fa izay izy vao voaray. Hanohy ny fianarana ambony any amin’ny Rice University, any Houston, Texas, ny tenany. Manomboka amin’ity
volana ity izy no hanao fikarohana momba ny fomba famokarana maharitra sy fananganana fotodrafitrasa indostrialy matanjaka.

Nivoaka omaly hariva ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny faritanin’i Mahajanga. 47,82% ny taham-pahafahana, raha ny tatitry ny Oniversite ao an-toerana. Mpiadina 12 602 no afaka raha 26 300 no nisoratra anarana. 25 178 tamin’ny fampianarana ankapobeny ary 1 122 ho an’ny fampianarana teknika.

39, 71% ny taham-pahafaham-panadinana bakalorea ho an’ny faritra Sava, ho an’ny fampiana­rana ankapobeny sy teknika. A1: 40,39 %, A2: 36,57 %,
L: 48,61 %, D: 40,45 %, S: 26,28 %, OSE: 40,42 % ary ny sokajy C: 66,67 %. Nahatratra 35,92 % izany ho an’Andapa. Antalaha: 37,20 %, Sambava: 43,36 %, Vohemar: 41,46 %

Partager sur: