FAD-17 : 500 000 dolara ny fandraisana anjaran’i Madagasikara

Mandray anjara amin’ny fanamafisana ny Tahirim-bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Fad) i Madagasikara. Mitentina 500 000 dolara ny anjaran’ny firenena malagasy ao anatin’ity rafitra
andiany faha-17 ity.

Anisan’ireo sehatra ma­nohana an’i Madagasi­kara ny Fad. Tamin’ny taon-dasa, nahatratra hatrany amin’ny 237,37 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azontsika, izany hoe, efa ho 475 heny noho ny vola natolotra amin’ity andiany faha-17 ity. Ankoatra ny lafiny ara-bola, mikendry ny hanamafy ny toeran’ny firenena eo anivon’ny Banky afrikanina misahana ny fampandrosoana (Bad), izay efa na­matsy tetikasa maro teto Ma­dagasikara, nandritra ny taona maro, ny fandraisantsika anjara ao anatin’izany. Mitentina 500 000 dolara ny anjara birik’i Madagasikara ho an’ny Fad-17, izay natao hamatsiana ny fampandrosoana ireo firenena afrikanina 37 manana fidiram-bola ambany. Anisan’ izany i Madagasikara. Natao ho fanomezana sy fampindramam-bola ny famatsiam-bola, izay mitaky fepetra manokana. Marihina fa fandraisana anjara natao hanavaozana ny loharanom-bolan’ny Fad no nataon’i Madagasikara, izay ahafahantsika misitraka fa­matsiam-bola ihany koa.

Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana
Mitentina 11 miliara dolara ny tetibola voaangona ho an’ny Fad-17, izay hiasa mandritra ny taona 2026-2028. Tanjona ny hanamafisana ny fahafahan’ny tahirimbola ma­matsy ireo tetikasa fampandrosoana any amin’ireo firenena afrikanina. Ho an’i Mada­gasikara, ahafahana manohana ireo tetikasam-panjakana ny famatsiam-bola. Anisan’ iza­ny ny fanamboarana ireo fo­todrafitrasa samihafa, ny sehatry ny angovo, ny fambolena, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fampandrosoana ny indostria mifototra amin’ny fambolena. Anki­lany, manamafy sahady ny fiaraha-miasan’i Madagasika­ra sy ny Bad ny hetsika atao. Lasa mpiara-miombon’antoka amin’ny famatsiam-bola ny fampandrosoana aty Afrika ihany koa isika. Tombony ho an’i Madagasikara ny ahafahan’ny firenena mitondra ireo tetikasam-panjakana eo anatrehan’ny Bad mandritra ny fampahafantarana ireo fandaharanasa hoavy.

Henintsoa

Partager sur: