VAOVAO TAMBATRA

Mitetina 150 tapitrisa dolara ny fandaharanasa Kaoatry 2026-2028. Tetibola hiompana amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny kalitaon’ny kafe malagasy ary ny fanamafisana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 45 000 ha ny velaran-tany voakasiky ny fandaharanasa, ary tantsaha miisa 70 000 hatramin’ny 90 000 no hisitraka izany. Hifantoka amin’ireo faritra efa manana traikefa amin’ny fambolena kafe ka hampivelatra ny famokarana any amin’ny faritra afovoantany sy ny faritra atsinanan’i Madagasikara ny fandaharanasa.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 20-22 aogositra, ny « Salon de l’industrie et du commerce In-Co 2026 ». Hetsika hampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fandraharahana eto Madagasikara. Fotoana iray mampifandray ireo mpandraharaha, mpanjifa, tanora mitady asa ary ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny indostria ny hetsika.

Nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanodinana ny fambolena, ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa ny fihaonana an-tampony faha-46 ny SADC. Nisongadina tao anatin’izany ny rojom-pihariana isam-paritra sy ny fanomezan-danja ireo harena an-kibon’ny tany stratejika. Dinika izay manokatra lalana ho an’ny fampivoarana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, amin’ny alalan’ny fanodinana akora eto an-toerana.

Partager sur: