INDRAY MIJERY

Miseho amin’ny endrika marolafy ny fahitana taratra fa misy fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Ny hamongorana ny soritra rehetra manome vahana ny fanerena ny ankizy hiasa anefa no tena tanjona. Lalana iray hahatongavana amin’izany ny fanarenana ny sosialim-bahoaka sy ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka.

Manentana hatrany ny Malagasy maniry hiasa any Maorisy ny minisitry ny Asa mba tsy handeha hiasa any raha tsy manana fahazoan-dalana hiasa na « Work Permit ». Nanentana ihany koa ny mpampiasa any Maorisy izy mba tsy hanafatra Malagasy amin’ny alalan’ny « visa touristique ».

Hotanterahina ny 28 aogositra izao ny fanamarihana ny Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana. Tanjona ny hanamafisana ny anjara toeran’ny fitsaboana nentim-paharazana eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka. Hisongadina amin’izany ny vokatry ny fikarohana mahakasika ity fitsaboana ity.

Partager sur: