Mitohy hatramin’ny anio, ao amin’ny KSLMD Andrainjato, Fianarantsoa, ny fihaonambe isan-taona tanterahin’ireo vondron’ny mpampianatra raikitra sy mpampianatry ny oniversite manerana an’i Madagasikara (CPTPUM).
«Ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra marolafy sy ny fahitsiana ara-tsiansa ho an’ny siansa sy ny fampandrosoana maharitra ary mampiaty ny rehetra». Io ny lohahevitra iaraha-midinika ao anatin’ny fihaonana.
Tanjona ny hahafahana mamantatra ireo voka-pikarohana mitondra fampandrosoana sy vahaolana ary mamaly ny filan’ny firenena.
Miara-miasa akaiky amin’ny Mesupres ny CPTPUM, nandritra izay 45 taona nisiany izay. Niara-nisalahy tamin’ny fametrahana ny vaomieram-pirenena misahana ny oniversite sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny fampiroboroboana ny “Excellence” ary ny famolavolana ny lalàna momba ny HDR sy ny Doctorat izy ireo.
Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ny minisitra ny CPTPUM tamin’ny fanohanany sy ny maha mpikambana feno azy ao amin’ity fivondronambe ity. Notolorana salotra hasina ireo profesora mahefa ary noraisina tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana vao nahazo ny mari-pahaizana maha profesora.
Laharam-pahamehan’ny Mesupres ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Mikaroka ary mahita vokatra hahafahana mampandroso an’i Madagasikara sy misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka ny Malagasy mpikaroka.
Tatiana A




