Raha ny vaovao voaray, nisafidy ny Nosy iray aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny FC Rouge amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona. Lalao hikatrohany amin’ny Red Arrows Football Club Zambie.
Fantatra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny FC Rouge, omaly, fa hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice ny lalao hikatrohan’ity ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara ity, amin’ny Red Arrows Football Club Zambie. Fihaonana savaranonando miverina eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaofederasiona izy io. Handray ny lalao voalohany ny zambianina, eo anelanelan’ny 4 sy 6 septambra ho avy izao. Manana kianja roa izy ireo hisafidianana handraisana ny FC Rouge dia ny Nkoloma Stadium ao Lusaka sy ny Levy Mwanawasa Stadium ao Ndola. Tsy mbola fantatra kosa ny kianja hilalaovan’ny roa tonta ao Maurice. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny fiandohan’ny volana septambra ny FC Rouge. Mandra-piandry izany, miisa 6 ireo mpilalao hanatevina azy ireo amin’ity fiadiana ny amboaran’ny Caf ity. Ahitana an’i Ruffin sy i Toky, avy amin’ny Cosfa, Mamisoa ho an’ny Elgeco Plus, Rovaldo avy amin’ny Fosa ary ny mpiandry tsatoby roa dia i Bernie avy amin’ny Ajesaia sy i Patrick Ste Anne.
Ankoatra izay, samy tsy manana kianja hankatoavin’ny Kaonfederasiona afrikanina ny Lijabatho Lesotho sy ny CFFA Madagasikara eo amin’ ny fiadiana ny “Ligue des champions Caf”. Nambaran’ ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioban’ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara, fa mety hatao any Maurice na Afrika Atsimo ny lalao handraisana an’i Lesotho, ny 4 – 6 septambra. “Hojerena avokoa aloha ny fandaniana rehetra amin’ireo firenena ireo ka izay hita fa tsy mandany vola no hidirana”, hoy ity mpampita vaovao avy ao amin’ny CFFA ity. Etsy an-kilany, re fa mikasa ny hanatanteraka ny lalao miverina ao Afrika Atsimo ihany koa ry zareo Lesotho, ny 13 – 16 septambra 2026.
Tompondaka




