Natahotra ny ainy, niantso vonjy tamin’ny manodidina ny jiolahy iray voatifitry ny tompon-trano tetsy Ampitatafika, omaly maraina. Voan’ny bala izy ka taraiky teo ambony tafo
Nananika tafon-trano sy nikiry hiditra teo amin’ ny varavarankely, notifirin’ny tompontrano tampoka tamin’ny fitaovam-piadiana ka naratra ny jiolahy iray, tetsy Ampitatafika, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nahare fisian’olona nikiry hanokatra ny varavarankely, tsy niandry ela fa namoaka basy avy hatrany, ny tompon-trano. «Mpitandro filaminana ilay monina ao amin’ny tokantrano nokasain’ilay olon-dratsy horobaina», hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny fanadihadiana. Voan’ ny bala, tsy tafatsangana intsony sady niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina, ity jiolahy ity. Niantso ny zandary miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ampitatafika ny tompon-trano lasibatra. Noraisim-potsiny teo ambony tafo ilay lehilahy voatifitra. Nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly izy mialoha ny hanokafan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana.
Indroa nanafika
Fanindroany voatafika tamin’io omaly io ity tokantrano etsy Ampitatafika ity, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny zandary. Niezaka namaky ny varavarankely ny jiolahy tamin’ny voalohany.
Niantso vonjy ny tompon-trano rehefa nahare ka nandositra ireo olon-dratsy. Tsy nijanona tamin’ny fomba ratsiny, niverina indray ilay jiolahy taty aoriana ka izao voatifitra izao. Tovolahy vao erotrerony ity voatifitry ny tompon-trano ity.
Tsiferana R.




