Saika hivarotra zaza 8 taona : Olona efatra notanana am-ponja

Nosamborin’ny polisim-pirenena miasa ao Manakara ireo olona efatra nikasa hamarotra zazalahy 8 taona, ny 18 aogositra teo. Nentin’ireo olona voalaza ireo niainga tany Farafangana ity zazalahy ity. Nihazo an’i Manakara, nitady olona handray an’io zaza io. Kamboty, nipetraka tamin’ny iray tamin’ireo olona efatra ilay zaza, araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny famotorana. Nanararaotra io toe-javatra io, araka izany, ireo olona voasambotra ireo. Nisy naharaka ny zava-nisy ka nitoroka tamin’ny mpitandro filaminana. Niroso tamin’ny fisamborana ireo olona voarohirohy ireto farany. Niaiky heloka avokoa izy efatra taorian’ny fampanoavana. Notazomina vonjimaika any am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: