Lasan’ireo roa vavy ny poketran’ny renim-pianakaviana iray avy naka vola tao amina GAB iray eny Ankorondrano, omaly…
Manao ny ataony koa ny vehivavy! Voasambotry ny polisy nanao fanamiana sivily ireo roa vavy nanendaka renim-pianakaviana iray avy naka vola teo amin’ny masinina fisariham-bola amin’ny alalan’ny karatra (GAB), omaly, teny Ankorondrano. Narahan’ izy roa vavy ilay ramatoa rehefa avy naka vola. Nosintonin’izy ireo avy hatrany ny poketran’ilay ramatoa, saingy tsy lavitra teo nisy polisy nanao fanamiana sivily ka noraisim-potsiny.
Mpivaro-kena tratra nanendaka…
Tratran’ny polisy avy ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo teny Ambohipo koa, afakomaly, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana miaro herisetra. Fantatra fa jiolahy efa malaza ratsy amin’ny fanendahana eny amin’ny faritra Ambohipo sy ny manodidina iny ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Tratra nanao ny asa ratsiny teo akaikin’ny bar iray izy ireo rehefa avy nanendaka mpandeha an-tongotra. Nosintonin’izy roa lahy ny finday teny an-tanany sady nofirainy antsy ny tanany. Naratra mafy ilay niharan’ny fanendahana. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana anefa ry zalahy ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo dia tratra. Mbola hita teny aminy ny antsibe. Nandritra ny famotorana no nahafantarana fa mpivaro-kena izy ireto saingy nivadika nanao asan-jiolahy ka izao tratra izao. Hatolotra ny fampanoavana izy ireo aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.
Jean Claude