Antsobolo : andian-jiolahy nanafika tranona mpianatra

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy teny amina tranon’ny mpianatra eny Antsobolo ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Tamin’io fotoana io, nitety ireo trano teny amin’ny manodidina ireo jioalahy saingy tsy nahavaha trano. “Nifindra tato aminay izy ireo ka niezaka namoha ny varavarana tamin’ny lakile. Renay izany ka nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy”, hoy i Faniry, tompon-trano. Niha­nika tamboho iretsy olon-dratsy ka nitoraka avy hatrany raha nahita ireo tompon-trano nivoaka. Taorian’izay nitsoaka ireo mpanafika ka samy namonjy ny trano fonenany avy ireo mpiray tanàna. “Roa minitra taorian’io, niverina ny jiolahy sady nanao an-terisetra hiditra ny trano. Nodakana sy nopohana vato ary nopoirina tamin’ny zavatra ny varavarana”, hoy hatrany ireo lasibatra. Tsy nahavaha izany anefa ireo olon-dratsy ka nivadika indray tao amin’ny varavarankely. Tamin’izay indrindra, naka “rouleau” fikosehana paty ity tompon-trano. Nifa­nehitra tamin’ny jiolahy ni­rongo basy izy ka nampihorohoro ilay jiolahy. “Basy ity”, hoy izy. Ilay tompon-trano kosa nively ilay fitaovana teny an-tanany tamin’ny lohan’ilay jiolahy. Voadona ihany koa ilay basy teny aminy ka niala mora ilay mpamaky trano. Nanidy vonjimaika ilay varavarankely i Faniry raha nitsioka kiririoka kosa ireo mpiray vodirindrina aminy. Nivoaka ny rehetra sady niantso vonjy raha nitsoaka avokoa ireo jiolahy. “Tsy fantatro mazava na efatra na dimy izy ireo saingy nirongo basy”, hoy hatrany ilay lasibatra. Hatramin’ny 5 ora maraina tsy nisy natory ireo tompon-trano fa samy nihainohaino avokoa.

Efa intelo voatafika
Efa misy ny olona ahina tamin’ity asan-jiolahy ity ary olona eny amin’ny manodidina ihany izany. Nambaran’ity tompon-trano ity koa fa mafana amin’ny tsy fandriampahalemana eny Antsobolo. Misy amin’ireo trano tsy lavitra azy no efa voatafika intelo. Vao tamin’ny zoma ny faran’izany, hoy izy. Taorian’ity tranga ity, tonga teny amin’ny polisy ireo lasibatra nitondra ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny famotorana.

Henintsoa H.

Partager sur: