Toamasina : kambana nifanavotra, matin’ ny herinaratra ny iray

Nikasika tamin’ny trano vita amin’ny tafo vy, niraikitra ny zazavavy kely iray tao amin’ny tsenan’Ankirihiry ny alatsinainy 20 febroary teo. Niara-nilalao teo an-tokontany ireo zaza mirahavavy. Kambana, nanaraka ny rahavaviny hatrany ilay zazavavy kely iray. Kinanjo, niraikitra tampoka tamin’ny tariby nisy herinaratra ilay zazavavy vao herintaona sy tapany. Niezaka nanavotra ny renibeny. Samy nanao izay ho afany ny manodidina niezaka nanavotra ireto zaza kambana ireto. Vokany, maty tsy tra-drano ilay zaza. Napitiky ny herinaratra kosa ilay kambana taminy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ity farany. Tsy nisy nahiana ny ainy.

Nangalatra jiro
Nisy mpivarotra ao amin’ny faritry ny tsena nangalatra jiro, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety ao an-toerana. Tsy vitan’io, mbola mizara izany amin’ny tsena hafa koa io raim-pianakaviana io. Nidina ifotony nanoloana izany ny teo anivon’ny jirama, ny talata teo.
Maniry ny hisian’ny fangaraharana amin’ny famatsiana ny herinaratra ao anatin’ny faritry ny tsena ireo mpivarotra.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: