Voahitsaky ny kamiao: Mpianatra iray namoy ny ainy

Voadonan’ny posy, nianjera teo ambonin’ny bisikleta nentiny ka notsenain’ny kamiao ny tovovavy iray mpianatra eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, ny alatsinainy 24 aogositra teo. Nirava avy nianatra, hamonjy fodiana, ity vehivavy taona fahatelo manaraka ny sampam-piofanana lalàna eo anivon’ny anjerimanontolo ity. Nifandona tampoka tamin’ny posy izy ka nianjera teo amin’ny arabe. Nandalo anefa ny kamiao lehibe iray ary voahitsaka ny tongony havia sy ny ilam-batany. Tsy tana ny ain’ity farany taorian’ny nitodran’ny nanatri-maso azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Olona miisa roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Toamasina, tao anatin’ny herinandro monja. Anisan’izany,ny mpivaro-boanjo voadonan’ny mpitondra Bajaj, ny alahady 23 aogositra teo. Iray hafa nitondra takaitra. Tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpampiasa lalana sasany matetika no miteraka ny loza.

Sajo

Partager sur: