Ambohitrimanjaka : Vehivavy iray namoy ny ainy, dimy naratra

Olana tampoka teo amin’ny familiana niafara tamin’ny lozam-piarakodia, tetsy Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Olona iray maty ary dimy naratra.

Tsy tana ny ain’ny renim-pianakaviana iray, raha toa ka avotra soa aman-tsara ireo olona dimy hafa niaraka taminy, nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny fokontany Ampahibe, Ambohitrimanjaka, omaly ma­raina, tamin’ny 8 ora sy sasany. «Niainga avy any Maevatanàna, hamonjy fivoriam-pianakaviana eto Anta­nanarivo ireo mpandeha tao anatin’io fiara io», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria Ambohitrimanjaka. Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily no antony nitarika ny loza, araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo tamin’ny mpamily. «Nano­mboka nilentika tsikelikely ny fiara. Nanavotra ireo mpandeha lasibatra ny olona nanatri-maso», hoy ny zandary. Avo­tra soa aman-tsara, saingy nentina toeram-pitsaboana avokoa ireo olona miisa dimy, ka anisany ny mpamily. Nota­zonina atao andrimaso eo amin’ny biraon’ny zandary izy hatao fanadihadiana. Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray. «Nananosarotra ho an’ireo olona nanavotra ny naka an’ilay ramatoa satria efa nilentika ny fiara», raha ny fanazavan’ny mpitandro filaminana.

Zaza roa latsaky ny 3 taona
Zaza latsaky ny telo taona ny roa tamin’ireo mpandeha lasibatra tamin’ity lozam-piarakodia teny Ambohitriman­jaka, omaly maraina, ity. Tsy nisy nahina ny ain’ireo zaza ireo, araka ny tatitra avy amin’ny manam-pahefana mi­sahana ny fanadihadiana. Na izany aza, nampandalovina mpi­tsabo avokoa izy ireo, ahafahana manara-maso ny fahasalamany. Marihina, ankoatra ity loza teny Ambohitriman­jaka ity, taksiborosy iray nifandona tamin’ny kamiao teny amin’ny RN1, teo anelanelan’Antanam­bao Ambohipeno, kaominina Ambatolampy, distrika Tsi­roanomandidy, omaly maraina tamin’ny 1 ora sy 15 minitra. Olona iray maty ary 14 naratra.

Tsiferana R.

Partager sur: