Efatra mianadahy voasambotry ny zandarimaria, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny famonoana mpiambina trano iray tetsy Androhibe, boriborintany fahadimy, vao an-dalam-panamboarana ireo olon-dratsy ireo, araka ny tatitra. Nitrangana fanafihana niharo vonoan’olona tao amin’ ilay tanàna vao hatsangana, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 20 aogositra lasa teo. Olona miisa telo, niampy mpiambina iray hafa tsy lavitra no niaraka nanatontosa ny fandrobana. Nandrasan’izy ireo ho any amin’ny toeram-panaovana maloto ny mpiambina tao amin’ny tanàna lasibatra. Nitondra vy, novelesin’ireo tsy mataho-tody avy hatrany tao aminy hatony ity mpiambina ity. Nandrika ny ra. Maty tsy tra-drano izy. Naharay fampahafantarana ny zandary, ny marainan’ny alakamisy 20 aogositra. Niroso tamin’ny fanadihadiana izy ireo. Nahazo loharanom-baovao marim-pototra ireto farany ka fantatra ny lehilahy iray anisan’ny tompon’antoka tamin’ny famonoana. Nosamborina izy sy olona roa hafa. Notorohin’ireo olona tratra ho mpiray tsikombakomba koa ny mpiambina iray tsy lavitra an’io toerana voaroba io. Nangalarin’izy ireo ny fitaovana famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny solika. Sarona io entana io. Natolotra ny fampanoavana izy efatra ka samy notazonina vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.




