Fitakiana sendikaly : hanavao fifampidinihana ny mpirakidraharaha

Tapaka tamin’ny fivorian’ ny biraon’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Mada­gasikara (SGM), teny Anosy, afakomaly, fa hahemotra ny fivoriamben’ny mpirakidraharaha rahampitso. Saika ho­dinihina amin’izany ny fanohizana ny fitokonana noho ny tsy fanatanterahan’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fitakin’izy ireo. Anton’ny fanafoanana ny fivoriambe ny fanendrena ny minisitry ny Fitsara­na vaovao.
“Mihemotra ny fivoriambe, fa aleo aloha mifampidinika. Vaovao ny mpitantana, ka hisy fifampidinihana vaovao”, hoy ny filohan’ny SGM, Ran­driamaharo Alain Michel, ny amin’izany. Misokatra hatrany amin’ny dinika sy fifampiresahana ny sendikà ny amin’ ny fitakian’izy ireo. Nisy fihaonana imbalo tamin’ny minisitra taloha. Angatahin-dry zareo amin’izao ny hiverenan’ny fifampidinihana.
Fifaliana ho an’ny mpirakidraharaha ny fanapahan-kevitry ny fitondrana. Ny fi­tsarana no tokony ho rehareha sy aroriaka ny hoe fanjakana tan-dalàna. “Nandritra ny fitokonanay, maro ny fanapahan-kevitra tsy ara-dalàna sy jadona nataon’iny minisitry ny Fitsarana nesorina iny”, hoy izy. Nanaporofoina izany fa izy no tompon’ny fitsarana. Mampalahelo na ny fanoharana ny mpirakidraharaha amin’ ny mpiasa an-trano aza.
Taratasy nifanaovan’ny minisitra roa no nahatapaka karama, tsy nandalo dingana sy fomba ara-dalàna. Tsy didim-pitondrana izany, tsy fanapahana, tsy inona. Na­hazo minisitra vaovao ny Fitsarana. Rivo-baovao ho an’ny fitsarana manontolo izany, fa tsy ho an’ny mpirakidraharaha irery.

R. Nd.

Partager sur: