ONG Tolotsoa: “Liana amin’ny politika ny tanora”

“Hita fa liana ny tanora, niantefan’ny adihevitra. Tsy misakana ny rehetra hifam­piresaka izay. Liana amin’
ny raharaham-pirenena ry zareo”, hoy ny mpandrindra eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, teny Antaninarenina, afakomaly. Mivohitra ao anatin’ny adihevitra ny tsy fisian’ny olon-kotahafina na fitaratra. Mila fitaratra ny tanora hampazoto azy amin’ny raharaham-pirenena. Nisongadina ny fahadisoam-panantenan’ny tanora eo amin’ny politika. Mitondra amin’ny tsy fahazotoana amin’ ny raharaham-pirenena.
Ezahin’ny ONG itondrana adihevitra amin’ny fanentanana ataony izany. Hitondra amin’ny fiovan-kevitry ny olona tsy mazoto amin’ny raharaham-pirenena. Anisan’ ny hazavaina ny maha zava-dehibe ny fifidianana, ny fandehanana mifidy. Eo koa ny zo efa azo, ka tokony hampiasaina. Izay lafiny maha olom-pirenena izay no ampitaina amin’ny olona. Eo koa ny maha zava-dehibe ny fifidianana. Misy ny resy lahatra amin’izany, ka miova hevitra. Eo hatrany ny tsy resy lahatra. Ny lafiny politika no tsy maharesy lahatra azy. Eo koa ny fahadisoam-panantenana iainany hatramin’izao

R. Nd.

Partager sur: