Anisan’ireo minisitra nametraka ny laharam-pahamehany nanoloana ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra teny Iavoloha, omaly ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy. “Hojerena manokana ny ady tany ka hapetraka ny paikady fanafainganana ny fanadihadiana ireny antontan-taratasy ireny. Tsy mbola mijoro ny tribonalin’ny fananantany nefa tsy manakana ny hametrahana dingana izany hanafainganana ny raharaha. Hatao filamatra momba izany ny fitsarana eto Antananarivo”, hoy izy.
Notsiahiviny fa efa nitana andraikitra teo anivon’ny rantsam-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ny tenany ka anisan’ny laharam-pahamehana izany ady izany.
“Camera de surveillance” eny amin’ny fitsarana
Hamafisina sy hapetraka ho maika ny fanohizana ny ezaka iadiana amin’ny kolikoly. “Aoka hazava fa tany tan-dalàna isika”, hoy izy. Anisan’ny paikady apetrany ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ireo olona sasany eny anivon’ny toeram-pitsarana, ahafahana mamantatra ireo tsy manan-draharaha eny akory nefa hita eny an-toerana. Hampahafantarina koa ireo dingana samihafa eo anivon’ ny tontolon’ny fitsarana, isorohana ny kolikoly. Tafiditra ao anatin’izany ny hanaovan’ ny minisitera fandaharana amin’ny TVM/RNM. Tsy vitan’izany. “Hapetraka ny fitaovana fanaraha-maso “camera” sy ny toerana fametrahan’ny olona fitarainana. Hatao maromaro izany eny anivon’ ny fitsarana”, hoy ihany izy. Hiakatra eo anivon’ny filankevi-pitsipi-pifehezana ireo mpitsara sy ny mpiasan’ny fitsarana ahiana ho manao kolikoly, araka ny nambarany.
Fanadiovana ny fitsarana
Manampy izany ny fanamafisana ny fahaiza manao ho an’ireo mpitsara hatao eny anivon’ny ENMG mba ho araka ny lalàna sy ny rariny no hivoaka. “Natao isorohana ny ahiahin’ny rehetra izany”, hoy izy. Anisan’ny fanambin’ ny minisitry ny Fitsarana koa ny hanohizana ny fanomezana kopia nahaterahana ireo zaza. Eo koa anefa ny tokony handinihan’ireo parlemantera ny lalàna. Tokony hojerena ny hanavaozana izany, hifanaraka amin’ny vanim-potoana ka iandrasana ny sosokevitra avy amin’ny rehetra ny momba izany, araka ny nambarany.
Nohamafisin’ny filoha Rajoelina manokana ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana. “Miandrandra izany ny vahoaka. Aoka koa mba ho didy anjakan’ny fahamarinana ny momba ny ady tany… Tsy maintsy atao koa ny fanadiovana ny eo anivon’ny fitsarana sy hampiharana ny lalàna…”, hoy izy.
Synèse R.