Namono olona hafa indray ny Mpox. Raim-pianakaviana iray, 53 taona, monina any Mananara Avaratra, no namoy ny ainy vokatry ity valanaretina ity, ny alahady 23 aogositra lasa teo. Narary izy ary naiditra hopitaly tany Toamasina ary tao no namoy ny ainy. Raha ny angom-baovao voaray, efa ela no nahitana soritr’aretina teny amin’ny tavany fa saingy tsy nieritreritra ny hanatona toeram-pitsaboana izy. Nihombo ny aretina taty aoriana ary nitarika aretina hafa teo aminy. Tsy nahatohitra ny aretina anefa ny tenany ka izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Voamarin’ny mpitsabo nandray azy fa nahitana ny soritr’aretina Mpox izy ary izay no nahafaty azy. Taorian’ny fahafatesany, tsy nandrasana fa tsy maintsy nalevina taorian’ny fahafatesany ny razana, mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Marihina fa mpamily taksibrosy mampitohy an’i Toamasina sy Maroantsetra izy fony fahavelony. Manao asa fitaterana manokana rehefa misy hetsika na lanonam- panjakana samihafa ihany koa. Anisan’izany, ny fametrahana ny lehiben’ny faritra Ambatosoa lasa teo. Manoloana izany, raiki-tahotra ihany koa ireo mpandeha rehetra nandeha sy nifanerasera tamin’ity mpamily ity taorian’ny fahafantarana ny vaovao.
Raha ny tatitra voaray teo anivon’ny hopitaly Toamasina, mahatratra hatramin’ny 53 ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly bé Toamasina. Tsy mbola voamarina avokoa ny ankamaroan’izy ireo raha ahitana ny soritr’aretina na tsia. Etsy an-kilany, mbola tsy ampy ny fanentanana sy fepetra raisina hiarovana amin’ny fifindran’ity aretina ity.
Sajo




