Tsy fanarahan-dalàna: manaitra ny praiminisitra ny antoko Tim

Nanatitra taratasy teny amin’ny Lapan’i Mahazoari­vo, ho an’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny antoko Tim. Nosoniavin’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc izany. “Mangataka amin’ ny praiministra izahay mba handray ny andraikiny manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna , amin’ny maha lehiben’ ny OMC azy”, hoy ny votoatin’ny taratasy.
Notsiahivin’izy ireo tamin’ izany fa manana zo hanao he­tsika ho famelomana ny mpikambana ao aminy sy ny olom-pirenena rehetra ny antoko Tim, araka ny lalàna mifehy ny antoko politika. Manan-jo hanao fanentanana sy fanofanana ary fanabeazana ny olom-pirenena ihany koa izy, araka ny taratasy hatrany. “Tratran’ny sakan­tsakana sy ny fampihorohoro­ana ataon’ny tompom-pahefana hatrany anefa ireo hetsika natao tato ho ato. Anisan’ izany ilay, teny Talatamaty farany teo. Nanomboka izany ny niandrasan’ireo mpitandro filaminana ny vavahadin’ny filoha teo aloha Ravaloma­nana Marc teny Faravohitra”, hoy ny fanambarana. No­kasaina hanakanana ny hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona teny Talatamaty izany.

Hetsika etsy Behoririka ny sabotsy izao

Tsy manaja ny tsy fian­daniana « Neutralité de l’administration » ny Prefet sy ny lehiben’ny distrika. Manome baiko ireo mpitandro filaminana hanakana ny hetsika, araka ny fanambarana hatrany.
Eo koa ny fampiatoana tsy ara-drariny ireo lehibem-pokontany sy ireo mpiara-miasa aminy. “Hametrahany ireo olona tiany hapetraka eo nefa tsy manaraka ny fenitra sy araka ny lalana izany”, hoy ihany ny eo anivon’ny antoko Tim.

Tsiahivina fa hanao fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anaty lisi-pifidianana etsy amin’ny Magro Behori­rika ny Tim, ny sabotsy izao.

Synèse R.

Partager sur: