Ambany ny tetibola amin’ny fikarohana, efa mijery ny paikady hitadiavana vola ho amin’izany ny mpikaroka. Anisan’izany ny projet UniPod, hamadihana ny voka-pikarohana iray ho orinasa. Miverina any amin’ny asa fikarohana ny ampaham-bola miditra. Vahaolana faharoa mampihodina ity sehatra ity koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. An-jatony isan-taona ny voka-pikarohana mivoaka ary efa mametraka angondrakotra momba izany ny fanjakana. Mijery ny voka-pikarohana isaky ny faritra eny amin’ny Oniversite 18 sy eny anivon’ireo foibem-pikarohana sivy, hanatsarana ny fanapariahana izany.
14 400 eo ho eo ny mpianatra afaka raisina eo anivon’ny L1 (taona voalohany ), izay ahitana fiakarana raha ny ho amin’ity taom-pianarana vaovao ity. Tanterahina ny 3 sy 4 septambra ho avy izao, eo amin’ny Esplanade Ankatso, ny “Salon de l’étudiant de l’Université d’Antananarivo”. Hetsika hampahafantarana ireo sampam-pianarana misy eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Hanamarika izany ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, izay handray anjara amin’ny fampiratiana sy hanatanteraka velakevitra sy fandraisana mpianatra hizatra asa ary tanora vonona hiasa raha mifanaraka amin’ny filana sy tolotra eo amin’izy ireo.




